4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy navela hiara-dia - RR Majunga

Tsy navela hiara-dia

nefa  nefa mifankatia

dia lazaina fa tsy anjara

na ambara fa voarara

izahay no nisafidy

dia ny hafa ve no handidy?

Mionona hono sombinaina

ka ny ho avy andrandraina

Ny tena, ny tenantsika no hisaraka

fa ny fo,fa ny fontsika hiaraka

N’iza n’iza handrafy, hankahala

izaho sy ianao no malala



’Ndeha hiaraka àry izao

tsy ho nofy, tsy lalao

hanohy ny dina izay natao

isika, dia izaho sy ianao


Partager tsy navela hiara-dia

Commenter tsy navela hiara-dia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RR Majunga